|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Midona moramora |
| Sokajin-teny | 2 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 3 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
4Ny Avana |
| Lahatsiratra manontolo |
5 Midona moramora 6 Ny any Ankaratra any; 7 Manembona isan'ora 8 Izay mandre izany. 9 Ny zavona mamono 10 Ilay Ambohimiangara, 11 Fa manina azy, hono, 12 Ny tiana, hany zara. 13 Manombana ho avy 14 Ny any Ambohimanoa; 15 Ny ranomasoko avy 16 No indray mirotsa-droa. 17 Mijojo vao maraina 18 Ilay Angavokely; 19 Ny alahelon-tsaina 20 Tsy hita velively. 21 Maneri-takariva 22 Ny eny Andringitra eny; 23 Ka dia " Mahatsiahiva " 24 No voalohan-teny. 25 Tomanitany lava 26 Ny fody eny Imanga. 27 Ny sento tsy misava. 28 Ny tiana tsy mitranga. 29 Tataovan-drahomanga 30 Iarivo indraindray; 31 Ireny miampanga 32 Fa manina izahay. 33 Veloma indrindra àry, 34 Veloma tsy doria; 35 Ka enga tsy harary, 36 Ry tiana sady tia. 37 Veloma mahatsiahy 38 No sisa holazaina. 39 Mandreraka fanahy 40 Ny ranomason-tsaina. 41 Tsahivo anefa izao 42 Ny fara tononkira: 43 Ny sora-tananao 44 No hany " sovenira " . |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13 |
|